NY MASIAKA IHANY VE NO ATAO HOE SAKAY TSARA?
Ireo fomba fihinanana sakay arakaraky ny hanitra ho azy!
Fody Lahy Mena
11/26/20242 min lire


NY MASIAKA IHANY VE NO ATAO HOE SAKAY TSARA?
Maro ireo sakay Malagasy ahatsiarovana an’i Madagasikara, ary anisan’izany ny sakay tsy Masiaka indrindra dia ny voapoa na fantatsika mahazatra hoe “poivron”. Ankoatran’io dia misy ny sakay pilokely mena sy ny pilokely maintso, ny sakay tsilandimilahy sy ny sakay fantsin’akoholahy, ny sakay fanendy sns. Ankoatran’ireo anefa dia efa manomboka misy mamboly eto koa ireo sakay vahiny toy ny jalapeño izay tsy dia masiaka firy, hatrany amin’ny Scotch Bonnet izay sakay masiaka nohon’ny pilokely, sy ireo masiaka indrindra eran-tany toy ny carolina reaper sy ny pepper x!
Samy manana ny hanitra ho azy avokoa ireo rehetra ireo, ary samy manana ny hasiaka zakany ny tsirairay avy, kanefa eo koa ny fahazarana samy manana ny azy sy ny karazana tsiro tadiaviny. Raha mahazatra antsika ny sakay voatoto izay misy fangaro sakamalaho sy tongolo gasy ary sira sy vinaigitra,dia ao koa ireo lomana vinaigitra miaraka amin’ny tongolo oignion sy sakamalaho, dia aza adino fa amin’arivony ireo fomba fanaovana sakay eran-tany, ary na ny eto Madagasikara fotsiny aza dia efa misy karazany maro tsy ho voatanisa, nefa dia tena samy manana ny hanitra ho azy tokoa.
Tsy ny hasiakany kosa anefa no hitsarana fa tsara ny sakay iray, fa ny fahaizana mampifanaraka azy amin’ny Sakafo hohanina. Ohatra izao hoe ny voapoa sy atody voakapoka (omelette afangaro poivron), mety tsy hivoaka ny tsiro raha natao sakay tsilandimilahy na sakay pilokely no teo amin’ny toeran’ilay voapoa ohatra. Ao koa ny hazan-drano na koa ireo sakafo aroso mangatsiaka toy ny salade, izay sakay misy tsiro voasary makirana na somary marikivikivy no miaraka aminy ohatra, fa ny hasiaka kosa dia arakarak’izay zakan’ny tsirairay. Ny tena tanjon’ny sakay dia ny hampatsiro ny sakafo sy hampazoto homana, fa tsy handoro sy hahenoina tsiron-kanina akory na dia zavatra mety hitranga foana aza izany!
Misy ireo sakay afaka hisafidiananao ao amin’ny Fody Lahy Mena. Afaka jerenao ato ireo lisitr’ireo toerana azo hanjifana izany. Azonao hanoratana mivantana koa izahay raha toa ka misy fangatahana na fanamarihina tianao atao aminay. Mankasitraka anao sahady nitsidika ny tranokalanay, fa vtsy tongatonga foana teto akory anao.